1 Nataon'i Davida. Hianao no antsoiko, Jehovah , Ry vatolampiko , aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangina amiko Hianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.

2 Mihainoa ny feon'ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin'ny fitoeranao masina indrindra aho.

3 Aza atao indray manakipaka amin'ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin'ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.

4 Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian'ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan'ny tnany, valio izy araka izay iendrehany.

5 Fa tsy mihevitra ny asan'i Jehovah, na ny vitan'ny tnany, izy, dia horavan'i Jehovah izy, fa tsy haoriny.

6 Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon'ny fifonako Izy.

7 Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy.

8 Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.

9 Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao* mandrakizay.[Heb: ento]
